Tanora miisa telo dia Lanja, Dera ary Meva no nanan-kevitra ny hanao fanadihadiana sy fikarohana mikasika ny lava-bato iray ao Fandravazana. Maro ny fahitana tsy nampoizin'ireo tanora ary feno fitaintainana izy ireo. I Meva no tena saro-tahotra anefa azo heverina fa manana hakingan-tsaina ihany. Mifankahery hatrany izy ireo mba havitana manohy  ny fikarohana mikasika ny zava-miafina ao anatin'ny lava-bato.

Voaray ho mpampianatra mpiasam-panjakana i Vatosoa rehefa nikaroka hevitra samihafa ary voatendry hiasa ao Arivonimamo. Ity tovovavy ity dia voafitaka tamin'ny fiainam-pitiavana satria nampifilafilain'ireo olo-tiana roa nifanesy. Nampitombo ny hambom-pon'i Vatosoa ny olana nolalovany. Faly ary mirehareha ny amin'ny fahazoan'i Vatosoa asa sy andraikitra ingahy Randria sy Ravololona, ray aman-dreniny.

Efa taona maro no tsy nitsidika ny tanàn'Andohanakomena nahaterahany sy misy ny ray aman-dreniny i Faly, toerana lavitry ny fivoarana. Nifanena tamin'i RaMiandry izay lehilahy lehibe mpitsabo nentim-paharazana i Faly rehefa tonga nitsidika ny fianakaviany. Herinandro mialohan'ny nahatongavan'i Faly no nanatontosana ny fankalazana ny fetin'ny taranak'andriana. 

Miasa any an-drenivohitra i Liva fa mody isaky ny faran'ny herinandro any ambanivohitra, tanàna atao hoe Lazaina. Raiki-pitia tamin'i Anja i Liva zanak'i Ramatoa Sahoby. Nifanojo ny heritreritr'izy roa anefa zanak'olona mpanana i Liva, izay tia rendrarendra ka nananatra azy mafy ny reniny mba hanitsy ny toetra ratsiny, mialohan'ny hirosoany amin'ny fifamofoina. Tsy niandry ela i Liva sy ny reniny fa nanantona an'i Anja sy ingahy Rasamy rainy, mba hifandinika momba ny fikasan'i Liva hangataka ho vady an'i Anja.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...