Zanaka vavy tokan'i Saholy sy Tovo i Marie Ange. Vao 12 taona izy dia maty ny rainy. Herintaona taorian'ny nhafatesan'i Tovo dia nanambady an'i Bernard i Saholy. Teo am-boalohany nizotra tsara ny fiainan'izy telo mianaka, tatao aoriana kely anefa tsy naharitra ny hatsara-tarehin'i Marie Ange i Bernard ka nitsiriritra azy. Nataon'i Bernard daholo io tambitamby rehetra io fa tsy nanaiky azy mihintsy i Marie Ange. Farany, rehefa izy sy Marie Ange irery no tao an-trano ka niara-nisotro ranom-boakazo izy mianaka dia nasiany fanafody fampatoriana ta anatin'ny veran'i Marie Ange rehefa sendra nitsangana kely ity farany... 

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...