Toerana lavitry ny fandrosoana ny tanànan'Ampahitromby : anjakàn'ny dahalo mpangalatra omby. Nanapa-kevitra ny handrafitra paik'ady hiarovana ny tanàna ny filohan'ny fokontany sy Ingahy Raleva. Naharay taratasy avy amin'ny dahalo Ingahy Raleva fa ho avy handroba ny ombiny. Araka ny voalazan'ny taratasy dia 30 lahy mirongo fitaovam-piadiana ireo dahalo no ho avy handroba, ary nampandreha ny Fokonolona ny filohan'ny fokontany sy Ingahy Raleva mba hiarovana ny tanàna.

Mpifamofo i Miaro sy Ramatoakely Tina. Nisy nanafika ny toerana misy an'i Tina ary voatifitra ity farany. Niasa saina noho ny tranga nisy i Miaro izay mpitam-bola amin'ny banky iray. Rehefa nanao fanadihadiana fohy ny mpitandron'ny filaminana dia nahatsikaritra fa ny laharan'ny finday an'i Miaro no hita farany tao amin'ny findain'i Tina ary izay no antony niahiahian'ny pôlice azy.

Vehivavy lozabe ny renin' Nary vadin'i Soatiana. Ferany ny zanany lahy tsy hanome vola ho tantanan'i Soatiana. Miaina latsalatsa isan'andro i Soatiana toy ny hoe : vehivavy momba, mpangalatra, mpamosavy, mahantra. Nilaozan'i Nary sy ny reniny nandeha tany Toamasina i Soatiana ary tsy namelany vola mba hamidy sakafo.

Tsy salama i Meltine renin'i Hery sy Vola, izay misy 4 mianadahy. Mikiry manao ny asa fikarakaràna tokan-trano ihany izy anefa mbola reraka. Philbert sy Meltine mivady dia mifamaly lava, kizintina aokizany ilay rangahy. Mpinamana tsy nifankafoy i Meltine sy Berthe tamin'ny mbola tany Diego, ary nifanena tao Antananarivo. Nandainga tamin'ny zanany i Meltine, tsy nampahafantariny ireo zanany ny fisian'ireo fianakaviana nipoirany.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...