25 jolay — I Jakôba na Jacques Zokiny dia zanak’i Zebede sy i Salome, rahalahin’i Joany evanjelista. Nantsoina hoe zokiny izy mba hanavahana azy amin’ilay apôstôly mitovy anarana aminy. Eveka tao Jerosalema izy. Avy any Galilea i Jacques ary zokin’i Jesoa roa ambin’ny folo taona.

24 jolay — I Masindahy Charbel na Youssef Antun Makhlouf dia teraka ny tamin’ny 08 mey 1828 tao Bekaa Kafra tao Liban avaratra. Mpitoka-monina maronite izy io, libanais izany. Nobeazina tao amin’ny fitiava-bavaka, ary izay no nahatonga azy hirona amin’ny fiainam-bavaka ihany koa.

23 jolay — Teraka tao Finsta tamin’ny taona 1303 i Masimbavy Brigitte akaikin’i Uppland moa no misy an’izany toerana izany. Zanaky ny governora ao amin’ny faritr’i Uppland izy. Teo amin’ny faha-14 taonany izy no nanambady an’i Ulf Gudmarson, andriana izy io, izay niterahany valo mianadahy.

22 jolay — Niaina tamin’ny taonjato voalohany i Marie Madeleine rahavavin’i Marthe, anabavin’i Lazare izy. Nanan-katao tokoa ny ray aman-dreniny ary nandova trano be tao Magdala tao Galilée izy ireo. Izany no nahatonga ny anaram-bositr’i Marie hoe Madeleine izany hoe avy ao Magdala.

21 jolay — Teraka tany antenantenan’ny taonjato fahatelo i Masindahy Victor. Avy amin’ny fianakaviana andriana tao Marseille izy io. Kristianina izy ary rehefa tonga ny fotoana nisafidianana ny asa dia nirotsaka ho tafiky ny amperora ka lasa manam-boninahitry ny tafika thébaine teo ambany fiarovan’ny amperora Dioclétien sy Maximien Hércule.

20 jolay — I Masindahy Apollinaire resahana eto dia ilay avy any Antioche. Mpianatr’i Masindahy Pierre tamin’ny taonjato voalohany. Nohamasinina ho evaka tao Roma izy io dia nalefan’i Masindahy Piera tany Ravenne mba hitory ny finoana kristianina.

19 jolay — Voalaza fa tao Roma no teraka i Arsène. Lasa diakra izy ary avy eo voatendry ho précepteur ny zanaky ny amperora Théodose I, tao amin’ny lapa tao Constantinople araka ny fangatahan’ny papa Damase I, izay nahalala ny fahamasinany.

18 jolay — Zafikelin’i Radbod i Frédéric. I Masindahy Richfried no nanabeaza azy, eveka tao Utrecht izy io. Nohamasinina ho pretra izy ary fanta-daza tamin’ny fifehezan-tena mafy. Nolaviny ny fifidianana azy ho eveka tao amin’ny diosezy.

17 jolay — Ny Simon Stock resahana amin’ity volana jolay ity dia iray tamin’ireo anglisy voalohany niditra tao amin’ny fikambanana karma. Teraka ny taona 1165 tao amin’ny faritr’i Kent izy. Rehefa nitoka-monina irery izy dia niditra tao amin’ny fitokana-monina karma. Izay nandraisany andraikitra goavana tamin’ny taona 1224.

16 jolay — Tsaroana amin’ity andro ity i Marie-Madeleine Postel. Mpanorina ny fikambanana ny Soeurs des Ecoles chrétiennes de la Miséricorde izy io ka ny 1500 amin’ireo relijiozin’ny fikambanana dia mitondra ny anarany.

16 jolay — Ireo relijiozin’i Carmel nantsoina tany am-boalohany hoe mpanirerin’i Masina Maria tao tendrombohitr’i Carmel dia tsy manasaraka mihitsy ny asan’ny Tompo sy i Maria Virjiny reniny. Ao amin’i Maria no ahitan’ireo karma ireo, ny anambaviny noho ny fahavirijiniany sy ny reniny izay nanome aina ny fikambanan’izy ireo.

15 jolay — Jean Fidanza no tena anaran’i Bonaventure, teraka ny 1221 tao Bagnorea (Bagnoregio) akaikin’i Viterbe. Mbola zaza izy no narary mafy ka nivavaka ny reniny, nitalaho tamin’ny vavak’i Masindahy François. Sitrana soamatsara izy tamin’izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...