Ny tsy fananana asa dia miteraka olana eo amin'ny fampianarana zanaka. Vokatr'izany dia mitotongana ny fahalalana, mikoroso ny fanabeazana, porofo tsy mifanaja intsony ny eny anivon'ny fiaraha-monina sy ny fianakaviana. Ny fitokisana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka no manampy ny olona hiatrika ny olana sedrainy hitady sy hiezaka hiasa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Misy firehan-kevitra manindraindra ny fitovian-jo ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin'ny fiaraha-monina. Araka ny voasoratra : tsy nisy ny mpianatra vehivavy fa i Jesoa Kristy no nampiditra azy teo amin'ny fiaraha-monina, nampianatra tamin'ny fihetsika sy ny nataony : mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, eo amin'ny tontolon'ny asa, ilaina eo amin'ny lafiny rehetra isehoan'ny fiainam-piara-monina ny talenta mampiavaka ny vehivavy. Ilaina ny manome sehatra ny vehivavy ary tsy maintsy atao ny ezaka mba ho azo antoka ny fisian'ny vehivavy amin'ny sehatry ny asa. Manana adidy manokana ny vehivavy ao an-tokantrano, zava-dehibe ny maha-reny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Manohitra ny lalana voajanahary ao amin'ny fahasamihafana no hanorenan'ny fiaraha-monina raha toa ka irosoana ny fanambadian'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ; ary voatohitohina ny asa fahariana, tapaka sy tsy misy fotohizan'ny aina. Ny tokantrano dia tsy maintsy misy ray sy reny ary zanaka. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Fanoezan-danja ny vehivavy ny fanomezana asa azy ireny. Mba hazoana vokatra tsara sy mahafapo dia mitaky fiofanana ny asa iray sahanina mba hifehezana izany tsara. Ny asa hatao dia mendrika ho sandaina ; ny tambi-karama dia tokony araka ny ora sy ny fepetra, tokony ho ara-drariny sy ara-dalana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Ny asa ampanaovina ny ankizy, amin'ny endrika tsy azon'ny saina leferina dia karazana herisetra, tsy dia mivandravandra noho ny herisetra hafa angamba, saingy zava-mahatsiravina tsy latsak'ireny velively. Voalika matetika ny ankizy, hatramin'ny 12 taona ; jesoa teo amin'ny faha-12 taonany niditra tao an-tempoly no ohatra tamin'izany. Tsy tokony hiditra any amin'ny orinasa ny ankizy raha tsy feno taona. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Herisetra no azo andikàna ny fampiasana ny ankizy. Io fanararaotana io dia fanosihosena lozan-tany ny hasina maha-olona ananan'ny tsirairay " na kely sy bitika toy inona aza izy, ary na maivana toy inona aza ny fahitana azy, eo anatrehan'izay heverina fa mety ilàna azy". Fanandevozana sy fanararaotana ny ankizy ny famporisihana azy hampidi-bola nefa tokony mbola ho andraikitr'ireo ray aman-dreny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Ny ankizy dia tsy tokony ampiasaina, adidin'ny ray aman-dreny ny mizaka aza ireny mba hampivelatra azy amin'ny fiainana indrindra ny amin'ny fanabeazana. Ny Fanjakana dia manana adidy hanampy ny ray aman-dreny amin'ny fampidirana ny ankizy an-tsekoly, izany hoe ny fanabezana manontolo na foto-drafitra, na ny enti-manana, ny fitsinjovana ireo mpampianatra sy ny rafi-panabeazana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin'ny tontolon'ny asa, maro ny vehivavy manana talenta. Fanomezana hasina ny vehivavy ny fanomezana asa azy ireny. Ny ankizy dia manana ny zon'ny ary tokony feno taona vao miditra amin'ny sehatry ny asa. Adidin'ny ray aman-dreny, ampianan'ny Fanjakana ny miahy ny ankizy, indrindra ny hafahan'izy ireny misitraka zo hianatra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Mety ho fanoitra ho an'ny fampandrosoana ny fahatongavan'ny mpila ravin'ahitra, fa tsy voatery ho vato misakana satria misy hatrany ny fifamenoan'ny talenta sy ny fahalalana. Ny rafitra ara-panjakana, any amin'ireo tany mandray mpila ravin'ahitra dia tokony hanara-maso tsara, mba tsy hahazo vahana ny fakam-panahy hanararaotana ny mpiasa vahiny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Ny tontolo ambanivohitra no tena endriky ny fahariana sy fampandrosoana. Mendrika hifantohan'ny saina manokana ny asa eny ambanivohitra, noho ny anjara mbola tontosainy eo amin'ny sehatry ny fiaraha-monina sy ny kolontsaina ary ny fiharian-karena. Mila fitsinjovana manokana ny tontolo ambanivohitra sy ny asa fanao eny satria ilaina ny fanovana hatrany ifotony. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Ilaina ny manana pôlitika fitantanana ny fambolena eny ambanivohitra, ary ilàna paik'ady izany toy ny fambolen-kazo, fanaraha-maso ny doro-tanety, ny fiarovana tontolo iainana. Mba hazaoana vokatra tsara amin'ireo asa maro lafy dia ilaina ny fiofanana ho an'ny tantsaha ary atao misongadina ny toe-tsaina vonona hiotra fa tsy hiandry fanampiana fotsiny, izany hoe manaraka tondro zotra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...