Alahady 27 septambra 2026. Alahady faha-26 mandavantaona — A — Ny toky fitaka, fa ny atao no hita. Aleloia. Aleloia. Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo. Tsy misy afaka mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Aleloia. Mila asa manamarina azy ny teny tsara nolazana na ny teny fampanantenaina. Afaka miala amin'ny ratsy ny olona ary afaka maneho "ENY" amin'ny fihetsika sy ny fiovana anaty. ilaintsika ny lamesa satria mandritra io fotoana io no hihainoantsika an'Andriamanitra sy handraisana hery avy aminy...
Razafimandimby Claude Joseph, nodi-mandry ny alahady 20 septambra 2026, olona niady sy nitolona ho an'ny fandriampahalemana sy ny ady amin'ny kolikoly. Ry kristianina sy mpino hafa manerana ny nosy sy any ivelany, fotoana fifohazana izao ary handinihantena sy hibebahana amin'ny lalan-dratsy, aoka samy hisaina ny didin'Andriamanitra sy ny fitsipika hifampifehezan'ny fiaraha-monina. Manasa ny rehetra mba hanatontosa ny andraikitra manandrify azy fa tsy hifampitsabaka. Tsara ny fifampiresahana manoloana ny olana maro lafy hampandrosoana ny Firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 13 septambra 2026. Alahady faha-24 mandavantaona — A — Izay mamela no havela. Aleloia. Aleloia. Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.Aleloia. Tsy azo atao kajikajy ny famelan-keloka. Tsy fetra ho amin'ny famelan-keloka no fampianarana nomen'i Jesoa, amin'ny hoe "Im-pitopolo fito" fa antso ho amin'ny famelan-keloka mandrakariva. Ny mpanara-dia an'i Kristy dia tsy tokony hanisa hoe "impiry no namela heloka" fa tokony hatsiaro kosa hoe "impiry izy no navelan'Andriamanitra heloka"...
Masindahy Piera claviaire, Olomasina nanana ny fitiavam-bavaka manokana teo amin'ny fiainany ; nitolo-tena ary nanao voady amin'ny maha Zezoita azy, mba ho andevon'ireo andevo rehetra, izy no mpiaro ny "Continent Africain". Jacques Désiré Laval, Olontsambatra, hajaina manokana aty amin'ny Ranomasimbe Indiana, nanampy ny olona tao amin'ny nosy Maurice. Ny fiavaozana sy ny fanavaozana dia mifahatra amin'ireto teny ireto : Fiombonana - Firaisan-kina - Fihavanana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Manampy ny olona hankalaza ny litorjia sy ny Sakramenta ny fahalalana ny katesizin'ny Fiangonana Katôlika. Satria mahalala ireo tenim-pinoana ilay olona dia mahafantatra izay ankalazaina ao amin'ny litorjia ka sady tsy hiteniteny foana no tsy hanaotao foana. Mahay mankalaza Sakramenta, ohatra ny hoe ny Mariazy dia sakramenta ifanoloran'ny mpivady... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny maha-olona ", iarahana amin'i Mgr Mamiarisoa Modeste.
Ny Tanjon'ny Katesizin'ny fiangonan katôlika dia manome fampianarana voarindra sy voafintina an'ireo singa manan-danja sy fototra momba ny fampianaram-pinoana katôlika izay mahakasika ny finoana sy ny môraly. Ny tanjona amin'ny Katesizy dia mahafantatra an'i Kristy, izay tsy fahafantarana ara-tsaina fotsiny fa fahafantarana ny misterin'Andriamanitra mihitsy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny maha-olona ", iarahana amin'i Mgr Mamiarisoa Modeste.
Alahady 06 septambra 2026. Alahady faha-23 mandavantaona — A — Ny Kristianina tsy mifampijery arina an-tava : Aleloia. Aleloia. Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy. Aleloia. Irin'i Kristy isika ho lavorary toa ny Ray any an-danitra, anefa samy manana ny kilemany ny olombelona koa izay no hifanentanana mba tsy hifampisorona manoloana ny fahadisoana ary tokony hatao amim-pitiavana. Toetra tsy mety : ny tsy firaharahiana ny hafa, ny fitsarana be fahatany sy fanapariahana ny mety ho fadisoan'ilay namana. Ny fifampiresahana no tena tsara ary tohizana fitiavana...
Alahady 02 aogositra 2026. Alahady faha-19 mandavantaona — A — Mampatoky ny manatona an'i Jesoa Mpamonjy. Aleloia. Aleloia. Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika. Aleloia. Rehefa tsy mifanandrify amin'ny handrasantsika Andriamanitra dia manome tsiny azy anefa Andriamanitra miasa mangina ary azo hantenaina na eo aza ireo sedra sy fahasarotana hatrehan'izay mitady azy. Tsy ao anatin'ny tabataba ny handrenesana ny feon'ny Tompo fa ao anaty fahanginana, izay herin'ny fitiavana sy halemem-panahy...
Alahady 02 aogositra 2026. Alahady faha-18 mandavantaona — A — Ray aman-dreny Andriamanitra, fa mpamelona ara-nofo sy ara-panahy. Aleloia. Aleloia. Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. Aleloia. Antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana; tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo, ny asany rehetra angorahany. Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo, tsara fo amin’ny asany rehetra; ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy, dia ireo izay miantso Azy marina...
Ny Tenin'Andriamanitra dia misy fomba maro ny fanakarana azy, mety ho amin'ny alalan'ny fandinihana isan'andininy, anefa rehefa vakiana miaraka amin'ny Fanahin'i Kristy dia manokatra ny saina ary fahafahana mamantatra kokoa izay hafatra fonosiny. Nanomboka ny taona nanjakan'i Radama-II no nidiran'ny "Mena maso" teto Madagasikara ; ny hoe "Mena maso" dia niantsoana ny "Franc-Maçon". Misy sokajiny ny "Mena maso" : misy ireo mino an'Andriamanitra, misy ireo manompo an'ny satana... Ilaina ny fiombonana sy firaisan-kina hirosoana amin'ny fikaonan-doha.Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 26 jolay 2026 - Alahady faha-17 mandavantaona — A — Mety ny mahafoy izay tsara hahazoana ny tsara kokoa. Misaotra Anao aho Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Sarotra ny misafidy, manoloana ny safidy omen'Andriamanitra an'ny olona, anefa misy harena lehibe sy sarobidy kokoa noho ny harena rehetra eto an-tany dia ny Fanjakan'Andriamanitra, ary tsy iza fa i Jesoa mihitsy, ilay antoky ny fiainana sy ny fahasambarana. Ny fo dia mahay mihaino, ivon'ny fisainana, ivon'ny fanapahan-kevitra sy ny sitrapo ary ivon'ny fifandraisana amin'Andriamanitra....
Manana andraikitra manokana ny Kardinaly eo amin'ny firenena misy azy, mitondra ny feon'ny vahoaka, ary tsy afaka ny hangina manoloana ny tsy rariny. Ny Eveka dia manana adidy hitondra ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny lalan'ny fahamarinana, fiarovana ny aina ary ny fihavanana. Efa ela, nanoloana ireo mpanjanaka, ireo Eveka misiônera no nitondra sy nanao tatitra mikasika ny zava-nisy ary tsy mena maso miteny ny tsy rariny, hatramin'ny taona 1945, ary maro ireo tahirin-tsoratra manamarina izany maneho ny tatitra nalefa tany Rome... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco