Alahady 5 desambra 2021 — Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 3, 1-6
Sabotsy 4 desambra 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 35 — 10, 1. 6-8
Zoma 3 desambra 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro avy ny Tompontsika miaraka amin’ny heriny, ary hohazavainy ny mason’ireo mpanompony — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 27-31
Sehatra telo no sarobidy amin'ny famolavolana ny fiantsoan'Andriamanitra ho Mpandraharaha masina : ny fianakaviana izay seminera voalohany, ny fiaraha-monina, indrindra ny sekoly sy ny fanabeazana, ary ny ankohonam-piangonana. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Tena zava-dehibe ny fahaizan'ny zatovo miara-miasa amin'ireo mpikatrotra ao amin'ny ankohonam-piangonana manomboka amin'ny pretra mpiahy sy izay miaraka aminy ao, ny mpiandraikitra isan'ambaratongany ao amin'ny Filan-kevitry ny pretra. Marihina fa ny fanoloran'ny pretra ihany no ahafahan'ny zatovo iray hanaraka ny fiofanana maha-Mpandraharaha masina. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Alakamisy 2 desambra 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany; sambatra izay vonona hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21. 24-27
Ny Eglizy dia manana anjara toerana lehibe amin'ny famolavolana ny fiantsoan'Andriamanitra. Mahefa be ny Eglizy rahefa ahafahan'ny zatovo manao ny anjarany amin'ny famelomana ny ain'ny Eglizy. Ireny olona voaantso manokana ireny dia matetika no niainga avy amin'ireo karazam-pikambanana masina eo amin'ny fiangonana. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Alarobia 1 desambra 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Tongava, ry Tompo, ary aza ela; vahao ny fatoran’ny vahoakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 15, 29-37
Vavaka sy fomba entin'ny kristianina miara-mankalaza an'Andriamanitra ny litorjia. Mba hampirindra ny fankalazana litorjika, dia naorin'ny Eglizy ny vaomiera litorjika ahitana ireo solo-tena avy amin'ny hery velona misy eo amin'ny paroasy.
Tonga Zanak'Andriamanitra sy ny Eglizy isika noho ny Batemy ary " Fanahy iray no nanaovana Batemy antsika, mba ho vatana iray isika". Sarobidy ny famolavolana ho amin'ny fandraharahana masina satria lehilahy vita Batemy ihany no azon'ny Eglizy omena ny Sakramentan'ny Fandraharahana masina. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Ny fanabeazana amin'ny sekoly katolika dia manana anjara toerana famolavolana ho amin'ny antson'Andrimanitra. Araka ny voalazan'ny Konsily : ny mpampianatra sy ireo manana andraikitra amin'ny fanabeazana dia aoka hiezaka hanampy ny zatovo, hamantatra ny fiantsoan'Andriamanitra. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Tsy afaka misaraka amin'ny fianakaviana ny tontolo misy azy, dia ny fiaraha-monina izany. Mampandinika ilay fomba fiteny hoe : " lazao ahy izay mifanerasera aminao dia lazaiko hoe iza ianao". Araka izany dia manana anjara amin'ny famolavolana ny olona ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco