Mibaiko ny fiainana ny finoana ary mamaritra ny maha izy ny tena. Fiaraha-miaina amin'Andriamanitra ny finoana ka tsy maintsy hajaina ny didiNy. Ny kristiana dia mino fa any an-tranon'ny Ray, misy toerana omanin'i Kristy, Izy irery no lalana marina mankany amin'ny fiainana. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
I Kristy no ivon'ny tantaram-pamonjena sy Mpamonjy tokana ; Izy no nanatanterakany Fampanantenana rehetra. Izay mino an'i Kristy no atao hoe Kristiana, tsy anarana entina fotsiny anefa izany fa toe-piainana mihitsy, tsy ankosotra fa mamolavola ny maha izy ny tena. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Mila saina mandinika sy mandanjalanja fa tsy sodokan'ny fampisehoana na kabary tsara lahatra, indrindra fa ny zavatra ara-panahy dia ilàna ny finoana ka tsy tokony afangaro amin'ny tombontsoa ara-nofo. Valin-tenin'ny olona tsirairay araka ny feon'ny fieritreretany ny finoana, valin-teny an-kalalahana. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Avy amin'ny olombelona ihany koa ny finoana satria valin-tenin'ny olombelona amin'ny Fanambaran'Andriamanitra. Tsy miankina amin'ny zavatra hita maso na fahagagana sy famantarana ny finoana fa miainga amin'ny fahatsapana ny asan'Andriamanitra eo amin'ny fiainana. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i Rakotomanantsoa Jean Louis.
Samy tsy hita maso na Andriamanitra na ny soa ampanantenainy; rehefa mino fa misy Andriamanitra dia mibanjina Azy ao am-po na tsy mahita azy aza ny masom-batana. Avy amin'Andriamanitra ny finoana satria "tsy misy mahalala Azy raha tsy Izy no manambara ny tenany. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Ny vavaka rehetra ataontsika dia miafara amin'ny teny hoe AMEN, teny hebrio io ; nentin'ny Jody nanamafy sy namarana ny fianianana (teny apetraka) nataony, midika hoe "ankatoaviko izany", " ho to anie izany". Ny katesizin'ny Fiangonana Katôlika dia mampianatra fa iray ny fototeny ny hoe "mino" sy ny "amen". Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P.Rakotomanantsoa Jean Louis.
Nampanantena ny zavatra rehetra ho fanampiny ho an'izay tsy mikatsaka afa-tsy ny fanjakàn'Andriamanitra sy ny fahamarinany i Jesoa. Manamafy orina ny finoana ny teny fampanantenana ary mahatoky ilay nampanantena. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Fanekena sy fanaovana izay heverina ho marina no atao hoe finoana. Ara-panahy dia fandraisana sy fanekena amim-pahatokiana an'Andriamanitra sy ny teniny ary ny fitondrany sy ny fampanantenany : tsy hitan'ny maso, tsy takatry ny saina nefa tsapa fa misy sy marina. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Alatsinainy 28 jona 2021 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 18-22
Alahady 27 jona 2021 — Alahady fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 5, 21-43
Sabotsy 26 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao : Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-17
Anjaran'ny tsirairay ny misaintsaina, indrindra ireo zatovo sy tanora efa am-perin'asa na mbola mitady asa, na mbola mianatra sy miomana hiasa mba tsy ho sodokan'ny nofinofy fotsiny ihany, na ho kivy raha tojo tsy fahombiazana. Tsy afaka hitondra vokatra ny fihaonana manokana amin'i Jesoa raha tsy ao anatin'ny ankohonana feno fiombonana. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco