Manana sofina avokoa isika rehetra, kanefa matetika, na ireo izay manana fandrenesana faran'izay tsara aza dia tsy afaka hihaino ny hafa akory. Misy araka izany ny hasembanana marenina ao anaty, izay ratsiratsy kokoa indray noho ny fahasembanana ara-batana. Ny fihainoana araka izany dia tsy hoe mahakasika fotsiny ny retsi-pandrenesan'ny sofina, fa ny maha-olona manontolo mihitsy. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Tsy maintsy amin'ny alalan'ny fitandremantsika tsara izay olona henoitsika, sy izay ambarany ary ny fomba fihainontsika azy ihany no hahazoantsika mitombo sy miha-lehibe ao amin'izany hoe haitaon'ny serasera izany, ka ny ivony dia tsy resaka fahalalàna ara-teknika fotsiny ihany fa "ny fahafahan'ny fo izay mampanjary ny fifanakaikezana". Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Izany indrindra no nahatonga an'i Jesoa nanamarina ny fahaizan'ireo mpianany mihaino ka nahatonga azy niteny hoe :"koa tandremo àry ny fihainoanareo, fa izay manana no homena, ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin'izay ananany aza". ireo izay mandray ny Teny amin'ny "fo marina sy tsara" ihany ary mitandrina azy tsara no hitondra voa tsara ho amin'ny fiainana sy famonjena.  Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Mifanohitra amin'izany kosa anefa, toa misy fitanilàna handositra ny fifandraisana ao amintsika olombelona ao, hitodi-damosina ary "hanampi-tsofina" tsy hiaino. Io fandavana hihaino io mazàna dia miafara amin'ny herisetra mianjady amin'ny hafa, tahaka izay nanjo indrindra ny diakra Etiena, araka izay voatantara ao amin'ny boky mintantara ny Asan'ny Apostoly, fa nanampi-tsofina taminy ny olona...  Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...