Natao ho an'ny daholobe ny harena : natokan'Andriamanitra hampiasain'ny daholobe sy ny vahoaka rehetra ny tany sy izay rehetra eo aminy, ka noho izany ny harena voajanahary dia tokony ho tsinjaraina tsy misy fiangarana. Andriamanitra no fototra voalohany niavian'ny harena rehetra : nanome tany ny olombelona mba hifehezan'ny olombelona ny tany amin'ny alalan'ny asany ary hiotazany ny vokatra eo aminy. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Ny andraikitra amin'ny fikatsahana ny soa iombonana dia tsy an'ny isam-batano'olona fotsiny fa an'ny fanjakana koa, satria ny soa iombonana no antom-pisian'ny fahefana ara-politika. Ohatra amin'ny soa iombonana : firaisan-kina, fandriampahalemana, tontolo iainana. Andriamanitra sy ny lanitra no soa iombonana fanaperana tokony katsahina. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Ny atao hoe "soa iombonana" dia ny fitambaran'ireo tontolom-piaraha-monina hahafahan'ny vondrona na ny tsirairay ao aminy mahatratra ny fahalavorariany amin'ny fomba feno kokoa sy mora. Ny soa iombonana dia sady an'ny besinimaro no an'ny isam-batan'olona. Ohatra : toe-karena, politika, kolontsaina. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Ny mampiavaka ny olona roa mitovy hasina dia ny hoe " lahy sy vavy". Hoy ny foto-pampianaran'ny Fiangonana momba ny fiaraha-monina : famenon'ny lehilahy ny vehivavy, ary famenon'ny vehivavy ny lehilahy", izany hoe mifameno na ara-nofo na ara-tsaina fa eo koa ny mahaolona azy mihitsy. Ireo olona manana fahasembana dia olombelona feno manan-jo sy andraikitra. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...