Ireto ny fizaràna sy toko 4 amin'ny votoatin'ny Sancrosanctum Concilium, ao anatin'ireo fizaràna 7 lehibe : Ny Breviera izay vavaky ny Eglizy, fanamasinana ny andro ; Ny Tetiandro litorjika, fankalazana an'i Kristy amin'ny misterin'ny Taona Litorjika manontolo ; Ny Mozika sy ny Hira Masina ; Ny zavakanto sy ny fitaovana litorjika...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Ny votoatin'ny Sancrosanctum Concilium dia mizara toko 7 lehibe ka ireto ny telo voalohany : Ny fitsipika ankapoben'ny fanavaozana litorjika ; Ny Eokaristia Masina izay fanavaozana ny zotram-pivavahana tao amin'ny missel ; Ny sakramenta sy ny Sakramentaly, izay fanamafisana ny maha zava-dehibe ny fandraisana sakramenta...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Ampifandrindra ny fiainana Kristiana, araka ny vanim-potoana mba tsy hanafitohina, fandraisana anjaran'ny Kristiana izany hoe : tsy fanovana fotsiny ny fombafomba fa fanorenana ny ara-panahy sy ara-batana mifototra amin'ny fiainam-pinoana Kristiana. Tanjona ny hanandratra sy hampiroborobo ny fiainam-panahy kristiana amin'ny mpino rehetra...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Jesoa no ivon'ny fiainana sy faratampon'ny litorjia - Tsy ampy ny "mouvement liturgique" fa tsy maintsy asiana fanazavana. Tamin'ny 11 oktobra 1962 dia nanokatra ny Konsily Vatikana-II, ny Papa Jean-XXIII, ka ny iray amin'ireo lohahevitra lehibe dia ny fanavaozana ny Litorjia... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...