Ny zokoiolona dia manana ny anjara toerany eo anivon'ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina misy azy. Manan-jo ho karakaraina ny zokiolona ary izany dia mitondra hafaliana, mitondra toe-tsaina mivelatra sy mendrika. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

Mila antsika taranaka mifandimby ireo zokiolona. Lesona ho an'ny taranaka ny fitondran-tena sy ny fihetsika ataon'ny zokiolona. Manome fahamatorana ny taranaka dieny mbola tanora ihany koa ny zokiolona. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

Tsy misy fanantenana ny fiainantsika rehefa tsy misy zokiolona. Ny vehivavy dia mahari-pery, mahavita manohana ny vadiny mandrankariva. Vitsy ny lehilahy manana herim-pom-bahivavy, môdely kokoa amin'ny faharetana ny zokiolona vehivavy. Afa-mifanohana ny zokiolona rehefa misy iray mijoro. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

Ny antom-pisian'ny zokiolona : ilaina toy ny tanora izy, afaka mifanampy amin'ny rehetra, mahavita asasoa betsaka noho ny tanora ka zary ohatra ho an'ny olona rehetra. Ny zokiolona dia mahay mitsinjo ny ho avy. Ny zokiolona dia olon'ny fahalalahan-tanana ary mahafoy. Ny zokiolona dia mitaiza sy manabe ny fiaraha-monina misy azy. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...