Ilaina hatsaraina ny vavaka ary tokony halalinina satria indraindray dia lasa fahazarana ny mivavaka, efa fombafomba sisa, maro koa mivavaka noho ny henatra ny hafa. Ny tena sarobidy dia ny hoe : fiainantsika ny mivavaka, sakafo mamelona antsika, hery, ary azo lazaina filàna fototra ho an'ny Kristiana. Ianarana ny mivavaka, ary na ny Apôstôly aza dia nangataka tamin'i Jesoa hoe : ampianaro mivavaka izahay. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

Ny tena antony misongadina mahatonga ny tanora miteraka aloha loatra, mialohan'ny fanambadiana : ireo manana fiainam-pianakaviana tsy mari-toerana, izany hoe ilay tokantrano misy ray sy reny nisaraka ; ny fahantrana sy ny tsy fahampiana hoenti-mivelona ; ny tsy fahafehezana ny teknôlôjia ; eo koa ny fandrisihan'ny hafa toy ny namana sy ny ray aman-dreny te hiala adidy. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

Misy dingana roa ny firosoana amin'ny fanadinana : voalohany dia ny tovovavy no tena voakasika rehefa feno 12-13 taona dia efa afaka atao fofombady, tsy mbola mahazo miray trano anefa ary tsy azon'olon-kafa fofoina intsony ; faharoa rehefa vita ilay fiainana ilay hoe "fofombady" nanditra ny 1-2 taona dia miroso amin'ny dingana manaraka dia ny "contrat d'amour". Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

Araka ny lalàn'ny Eglizy, "code de droit canonique" tamin'ny taona 1983 ; ao amin'ny Canon 1083 § 1 dia voafaritra mazava tsara fa 14 taona ho an'ny vehivavy ary 16 taona ho an'ny lehilahy, ireo no taona kely sy ambany indrindra hahafahana miroso amin'ny mariazy. Raha sanatria ka lasa alohan'ireo taona faritan'i Eveka tompon-toerana dia tsy maintsy maka fahazoan-dalana manokana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...