Maro ny sakana mahatonga ny olona tsy ho afaka mivavaka. Misy ohatra ny fahajambana no manahirana azy, kanefa raha ny maso no nanahirana dia misy fomba hafa toy ny fampiasana ny sofina. Samy manana ny sakana tsy hahafahany mivavaka ny tsirairay ; mety ho olona no manakana, mety ho ny fotoana, na asa, na fahazarana sy fiankinan-doha amin'ny zavatra. Tsy mitovy ny hoe "kamo mivavaka" sy ny tsy manam-potoana. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
Ireto misy fomba fiteny mampiseho ny maha zava-dehibe ny vavaka : ny vavaka manova zavatra ; hafa ihany ny mivavaka ; mitolona am-bavaka ; tsy misy tsy hain'Andriamanitra atao ho an'izay mino ; fara hery sisa ny vavaka ; midika izany mahavita zavatra tsy takatry ny herintsika Izy Andriamanitra ary tena henon'Andriamanitra ny vavaka ataontsika. Misy ezaka ny fitadiavana an'Andriamanitra, tsy azo atao ny mora kivy. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
Mety misy fotoana manadino an'Andriamanitra isika, mety tena minia mandositra Azy, tadidio anefa fa na minia tsy mieritreritra an'Andriamanitra aza isika na manohitra Azy dia eo amintsika foana Izy ary tsy manary antsika. Ny endrika hitenenan'Andriamanitra amintsika dia ny feon'ny fieritreretana, ny konsiansa. Io ilay feon'Andriamanitra manoro antsika ny tsara, ny mety, ny marina. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
Izay mivavaka dia manankim-po bebe kokoa hatrany amin'Andriamanitra ; tsy izay ihany fa efa santatra sahady ny amin'ny fiombonam-piainana amin'Andriamanitra ny vavaka satria izay efa zatra nifampiresaka sy nifampitafa ihany no afaka hiara-monina. Ny kristiana dia olona mivavaka ; tsy misy lesona be akory ny fianarana mivavaka fa fanomezan'Andriamanitra, ary noho ny vavaka no mampitombo ny fahasoavana enti-mivavaka. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco