Alatsinainy 23 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy  Marka (Mk. 3, 22-30)

Nitsaratsara be fahatany an’i Jesoa ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema, ka nilaza taminy hoe: azon’ny demony Izy. Toa mifanohitra amin’ny an’i Jesoa, manatona sy miakatra an’i Jerosalema ny nataony. Midika izany fa mifanohitra i Jesoa sy ireto mpanora-dalana ireto fa miala amin’ny toera-masina ka mankany an-kafa. Saritsarin’ireo olona miendaka sy miala amin’ny Eglizy izany. Mifanohitra toy ny andro sy alina, toy ny atsimo sy avaratra toy ny eo amin’ny fitondrana sy ny mpanohitra. Aoka isika tsy ho mpanora-dalàna amin’ny endriny vaovao ka hanam-pahavalo amin’Andriamanitra, izay nampisy sy namorona antsika fa ho fitiavana toa Azy. Aoka isika tsy hanam-pahavalo na hitsangan-ko fahavalo afa-tsy amin’ny fahotana.

Nahazo valin-kafatra tamin’i Jesoa ireto mpanora-dalàna ireto, ka fanoharana no nentin’i Jesoa namaliana azy: fa na fanjakana no miady an-trano na Fianakaviana no miady an-trano, dia samy tsy haharitra avokoa. Ankehitriny anefa betsaka ny mifandrafy: raha ny eo amin’ny fanjakana dia saiky matetika ady seza sy fitadiavana tombontsoa manokana, ary fireharehana no mahamaika; raha eo amin’ny fianakaviana kosa dia noho ny fialonana matetika no ipoiran’ny olana, hany ka tsy mifampiteny, tsy mifampiditra an-trano, vita hatramin’ny tsy mifandevi-maty! Mitondra mankaiza anefa izany? Diniho koa anie ireny tokantrano miady lava ireny e, ahoana ny fiafarany matetika raha tsy voatsabo? - Faharavana! Tandremo sao tratran’izany koa ny ato amin’ny Eglizy! Aza omena hirika ny Demony.

Mazava ny tenin’i Jesoa eto: rava ny fanjakana miady an-trano. Koa aza mihazakazaka mankamin’ny faharavana izany e! Tsy ny Demony no handroaka ny Demony fa hitady namana aza izy, koa aza miteniteny foana na mitsaratsara be fahatany toa izany isika. Mazava koa fa mahery i Jesoa, tsy misy ambony noho Izy intsony, matoa Izy maharoaka an’i Satana. Koa raha hitady ihany tsy aleo ve ny ambony indrindra e! Ny tapany ihany mantsy no mikobana matetika. Efa feno isika tamin’ny Batemy ka aza atobaka amin’ny fahotana fa manjary tapany sisa, dia ho raharaha ny hahazo! Matoa i Jesoa manafaka antsika amin’ny fatotr’i Satana dia tsy mandroba Izy fa mamonjy!

Vao mainka loza ny tohiny satria lazaina fa “manana fanahy maloto” i Jesoa: tena manota amin’ny Fanahy Masina izany, ka tsy mahazo famelan-keloka. Izany hoe: manao tsinotsinona ny asan’Andriamanitra izany, ka miala amin’ny zotran-damina nalahany dia manary tena. Koa aza manipaka am-bavafo an’Andriamanitra izany re! Aza odiana tsy hita ny asany ety amintsika. Tsarovy fa tsy miara-dalana ny mazava sy ny maizina, ny tsara sy ny ratsy ka aza terena hifangaro fotsiny amin’izao. Azo lazaina koa hoe: ny fahasoavana omen’Andriamanitra mitosaka fa raha isika no tsy te handray, tsy afaka hanery Izy. Amin’izay anefa isika no ho tena voa mafy indrindra. Tandremo àry!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...