6 marsa 2024 — Alarobia, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

Ny 2/3 amin'ny firenena eto ambonin'ny tany dia mamela malalaka ny atao hoe fanalan-jaza, tamin'ny taona 2014 dia nahatratra 57.000.000 ny fanalan-jaza tamin'io taona iray io. Ny antony mahatonga ny fanalan-jaza dia ny fahantrana, ny firosoana amin'ny firaisana ara-nofo aloha loatra, vohoka tsy nirina ; fitondran-tena tsy mifanaraka amin'ny tenin'Andriamanitra ny vohoka tsy nirina vokatry ny firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambiana. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa 

5 marsa 2024 — Talata, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35)

Hita mitombo ny tahan'ny fanalan-jaza raha ny zava-misy amin'izao fotoana izao, tsy eto Madagasikara ihany fa manerana ny tany mihitsy. Hatrany am-pitan-dranomasina, misy mihitsy aza ireo firenena izay tsy dia manao azy ho olana loatra nefa misy koa ireo firenena izay hita manomboka io fihetsika io. Tsy vitsy ireo tanora, izay tafalatsaka amin'ny fanalan-jaza, na ny tokantrano ara-dalana aza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa 

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...