30 janoary 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-43)
Miha simba ny fifandraisana ankehitriny, lasa tsy mifankahazo noho ny fironana ara-pôlitika, lasa mitady finoana hafa noho ny faharesen-dahatra manokana. Boky mivelatra ny zokiolona : manana tantara lava kokoa, marina kokoa, fampitana trai-kefa-piainana. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
29 janoary 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 1-20)
Zava-tsoa ara-panahy ilaintsika krisitianina mivahiny eto an-tany ny Sakramenta, ary mankany amin'ny mandrakizay ny vokatr'izany.
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco