Ny atao hoe soa iombonana dia fitambaran'ny fepetra ara-piaraha-monina izay ahafahan'ny fikambanana sy ny mpikambana tsirairay avy manatratra ny fahalavorariany tanteraka. Tsy azo sarahana amin'ny maha olona ny soa iombonana. Mifamatotra amin'ny zo fototry ny olombelona ny soa iombonana. Manana adidy ny isam-batan'olona amin'ny fikatsahana ny soa iombonana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
5 nôvambra 2023 — Alahady Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny Tenin’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)
Misandrahaka amin'ny maha-olona ny soa iombonana satria tena mikatsaka ny soa ho an'ny fiaraha-monina manontolo, sady ny olombelona no fototra mampisy ny soa iombonana. Mivelatra maneran-tany ny soa iombonana satria ho an'ny fianakaviamben'ny olombelona sy ny tany manontolo. Mahasahana ny fifandraisana ny soa iombonana satria misy taratry ny fiombonan'ny olona. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
4 nôvambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 1. 7-11)
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco