19 desambra 2023 — Talata, herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Atsinanana fibaliakan’ny hazavana mandrakizay sy masoandron’ny fahamarinana, avia ary omeo an’ireo izay mandry ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana ny hazavana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 5-25)

Ny zaza manana ny ampy sady maneho toetr'olombanona dia mampanadino ny hambanian-tsarangan'ny ray aman-dreniny ; ary mamerina ny hasina ho an'ny tena sy ny fianakaviana. Rehefa mivoatra amin'ny lafim-piainana rehetra ny olona dia misokatra mijery ny hafa ary mahatsapa tena ho tompon'andraikitra ihany koa amin'ny hafa ka mety ho foana ilay toe-tsaina tia tena. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

18 desambra 2023 — Alatsinainy, herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Solofon’i Jese, fisehoan’ny fivondronan’ny vahoaka, avia hamonjy anay, aza maharitra ela intsony — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 1, 18-24)

Misy lafintsarany sy lafiratsiny ny fomban-drazana. Mampiombona mora kokoa ny malagasy ny fomba malagasy sy ny fomban-drazana nifandovana, indrindra ireo mifahatra amin'ny ara-pitondran-tena : fihavanana, fifanajana, fiarovana ny aina ary ny fiombonana eo amin'ny samy mpiara-belona, ny fahaiza-miaina. Ireo soatoavina ireo dia anisan'ny zavatra tsara anefa potika noho ny toe-tsaina sy toe-po ananatsika koa mila mitandrina isika amin'ny fomban-drazana mba tsy ho lasa fanompoan-tsampy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...