Ilain'ny soa iombonana ny hiantohan'ny fahefana mifehy, amin'ny fomba mendrika, ny filaminan-tsain'ny mpiara-monina sy ny an'ireo mpikambana ao aminy. Ny soa iombonana no manamarim-pototra ny zom-piarovan-tena eken'ny lalàna ataon'ny tsirairay sy ny rehetra mitambatra. Hoy ny konsily :"tsy hoe rahefa tsy misy ady, na mifandanja ny hery an-daniny sy ankilany dia mandry fehizay ny tany..." Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

5 ôktôbra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 1-12)

Isan'ny singa fototra ilain'ny soa iombonana ihany koa ny fitandrovan'ny Fanjakàna ny zo fototra maha-olona. Tsy maintsy avelan'ny fiaraha-monina ny isam-batan'olona ao aminy hanatanteraka ny fiantsoan'Andriamanitra azy. Ny soa iombonana dia miorina amin'ny fepetra fampiasana ny fahafahana voajanahary : anisan'izany ny zo hanao asa amam-pihetsika araka ny fitsipika mahitsy ny kônsiansy... Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

4 ôktôbra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ka tariho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 57-62)

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...