24 nôvambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 45-48)
Tompon'antoka ara-piaraha-monina ny fianakaviana. Hita taratra izany amin'ny fanehoany ny firaisan-kina sy ny fahaizany mizara, tsy ao anatin'ny fianakaviana fotsiny, fa eo amin'ny sehatra isan-karazany. Mba hahatratrarana ny soatoavin'ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia mitaona ny rehetra ny Eglizy manao hoe : aoka ny fitiavana sy ny hevitra iombonana ary ny fahamasinana no hanakambana ny mpivady. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
23 nôvambra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 41-44)
Zava-dehibe ny fianakaviana ho an'ny fiaraha-monina : ankohonana voajanahary. Ny fianakaviana dia ankohonana mampiombona olona àry ny fiaraha-monin'olombelona voalohany. Manana anjara toerana lehibe amin'izany ny kristiana hoy ny konsily : tsy maintsy araraotin'ny kristiana ny fotoana ankehitriny, noho izany tokony hiasa mafy izy hanandratra ny hasin'ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco