26 nôvambra 2023 — Alahady, I Jesoa Kirsty Mpanjakan'izao tontolo izao — Fankazalana manetriketrika — Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 31-46)
Amin'ireo singa efatra, asongadin'ny konsily ny anjara toerana manokana ananan'ny fitandroana ny soa iombonana izay lohalaharana amin'ny kendren'ny fiainam-bahoaka. Ny soa iombonana izay fitambaran'ny fomba fiainam-bahoaka izay ahazoan'ny olona sy ny fianakaviana ary ny antokon'olona mivelatra tanteraka sy moramora kokoa. Mikendry soa iombonana ny ankohonana pôlitika. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
25 nôvambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 20, 27-40)
Manoro ireo singa efatra hampijoro ny fiainana ara-politika tena mendrika ny maha-olona ny konsily manao hoe : zava-dehibe mihitsy ny mampivelatra ny hevitra lalina raketin'ny fahamarinana ny hatsara-po, ny fahafoizan-tena hanompo ny soa iombonana, ary ny manamafy ny foto-kevitra ijoroan'ny fiainam-bahoaka sy ny zava-kendrena. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco