30 ôktôbra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 10-17)
Ny Eglizy dia manana adidy amin'ny fanabeazana ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Napoléon Bonaparte no nanorina sy namorina "code civil" ny taona 1804, ary saika izy avokoa no fototry ny lalàna sy ny rafitra misy ankehitriny. Isany soa napetrany tamin'izany ny famoronana ny sekoly, sy ny rafitra fitantanam-bolam-panjakana, ny fametrahana ny antenimieran-doholona sy ny rafitra fiarovana ny olona sy ny fananany.
Manoloana ny fiakaran'ny hafanan'ny tany dia tsy maintsy miroso manova fomba fiaina ny olombelona. Manova fomba famokarana sy fanjifana mba hiadiana amin'io fiakaran'ny hafanana io , na farafaharatsiny hisorohana an'izay antony avy amin'ny ataon'ny olombelona ka mahatonga azy io na manampy trotraka azy. Ny tena mampiakatra ny hafanana dia ny fivangongon'ny entona mangeja hafanana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
29 ôktôbra 2023 — Alahady Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 34-40)
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco