Tsy maintsy iahiana ny vatana sy ny fanahy ny asa. Raha ny vatana fotsiny no iahian'ny asa dia lasa fanandevozana. Tsy natao hikendrena ny haren'ny tany fa hikatsahana ny famonjena ny fanahy, io no tokony laharam-pamehana. Tsy tokony hiteraka tebiteby ny asa : rahefa maro ny zavatra manahiran-tsaina sy mampitotototo ny olona, dia ahiana hataony tsirambina ny Fanjakan'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
31 aogositra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 24, 42-51)
Ny sabata hisokafana amin'ny mahantra ; ao amin'ny Testamenta Taloha dia niasa 6 taona ny olona fa ny taona 1 hitsaharana, hitsinjovana ny mahantra izany hoe taona fahafito. Voafatotry ny tsy maintsy ilàna ny asa ny olombelona, ka ny fialan-tsasatra no manampy azy hanantena fahafahana feno ampoka kokoa dia ny fanantenana an'ilay Sabata any amin'ny mandrakizay. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
30 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 27-32)
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco