8 ôktôbra 2023 — Alahady Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 21, 33-43)

Hoy ny fampianaran'ny Papa Pie XI : "zava-dehibe ny fanomezana ny tsirairay ny anjara tandrify azy, sy ny fampiharana ny fitakin'ny soa iombonana na ny rariny ara-tsôsialy, amin'ny fitsinjarana ny haren'izao tontolo izao ; satria ny tsy fitoviana mivandravandra eo amin'ny olom-bitsy manan-karena sy ireo mahantra zavon-tany. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

7 ôktôbra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 17-24)

Manome andraikitra ny olona rehetra ao anaty fiaraha-monina ny soa iombonana. Mba hampiroboroboana sy hampandrosoana ny soa iombonana dia ilaina ny fandraisana anjaran'ny olona tsirairay sy isan-tsokajiny ary ny olona rehetra, satria io no endrika firotsahan'ny olona an-tsitrapo sy malalatanana eo amin'ny fifanampiana ara-piaraha-monina. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...