9 mey 2023 — Talata, Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona, ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 27-31a)
Anisan'ny olana goavana eo amin'ny fiaraha-monina ny fanelezana tsaho sy ny vaovao tsy marina. Miteraka voka-dratsy maro izy ity satria lasa mampisavorovoro ny fiainana ary mampikorontana ny fisainana sy ny fiainam-bahoaka. Ny tokony ho tsarovantsika dia ny fiezahantsika hijoro hatrany fa tsy ho kivy manoloana izany fanelezana tsaho izany. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB.
8 mey 2023 — Alatsinainy, Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 21-26)
Hery telo no ananan'ny fanahy dia ny fahalalana, fitadidiana ary fahatelo farany dia ny sitrapo. Ny fahafahana dia ao amin'ny fanahintsika no misy azy. Zava-dehibe ny fahafahana sy ny sitrapo eo amin'ny fiainan'ny olombelona. Maro ny tokantrano mikorontana, ary betsaka ireo tanora tsy mahafehy tena noho ny tsy fahaizana mandanjalanja ny atao hoe "fahafahana". Miha very hasina ny olombelona noho ny fivohizana loatra ny fahafahana.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco