04 ôktôbra — Teraka ny 1181 i François, zanaka mpivarotra, mpanan-karena tao Ombrie izy. Vao teraka izy dia nataon'ny reniny batemy ka nomeny ny anarana hoe Jean fa rehefa tonga avy any France ny rainy dia nanome azy ny anarana hoe François.
Mila ianarana ny fifampiresahana ao an-tokantrano, sao manao fifampiresahan'ny samy marenina ka ny azy ihany no asesitsesika fa ny an'ny hafa tsy re na oviana na oviana. Tsy mety raha mba miresaka nefa ny anao ihany no tiana apetraka sy tanterahan'ny hafa. Tsy mety ny resaka miafara amin'ny ady saritaka. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.
Talata 4 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 38-42
03 ôktôbra — Teraka ny taona 890 tao Stave, tanana kely tao Florennes i Gérard. Sancius no rainy, izay avy amin'ny fianakavian'ny duc d'Austrasie. Avy amin'ny reniny indray izy dia nanana dadatoa an'i Etienne, eveka tao Liège. Nanan-tany tao Brogne ireo ray aman-drenin'i Gérard ireo.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco