18 septambra — Araka ny fiantaran’i Jacques de Voragine ao amin’ny Légende dorée dia maty martiry izy efa-mianaka ireto. Sophie moa izany no reniny ary zanany avokoa izy telo miravavy dia i Nadège, i Véra ary i Liouba. Niaina tany amin’ny taonjato faharoa tany izy ireo.

Adidy hijoroan'ny raim-pianakaviana hatramin'ny farany ny maha loham-pianakaviana azy. Manabe am-pitiavana mandrakariva ny zanany miaraka amin'ny vadiny izy. Modely tahaka an'i Md Josefa izy ao an-tokantranony ka hatahoran'ny ankohonany sy hajainy am-pitiavana satria sady mahatoky no nahay nametraka ny fahefana amin'ny maha-raim-pianakaviana azy. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Alahady 18 septambra 2022 — Alahady Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Izay tia Ahy dia hitandrina ny teniko ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 1-13

17 septambra — Teraka tamin’ny 04 oktobra 1542 tao Toscane i Robert Bellarmin. Dadatoany ny papa Marcel II Cervini. Ny taona 1560 izy no niditra tao amin’ny Fikambanan’i Jesoa. Ary nohamasinina ho pretra tao Louvain ny taona 1569.

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...