Talata 26 jolay 2022 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray; mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 36-43

25 jolay — I Jakôba na Jacques Zokiny dia zanak’i Zebede sy i Salome, rahalahin’i Joany evanjelista. Nantsoina hoe zokiny izy mba hanavahana azy amin’ilay apôstôly mitovy anarana aminy. Eveka tao Jerosalema izy. Avy any Galilea i Jacques ary zokin’i Jesoa roa ambin’ny folo taona.

Raha manao asa, mihataka ny lalan-tsain'ny fiangonana ny mpitondra sy izay nomena fahefana dia aoka ny olona tsy handà izay takian'ny soa iombonana amin'ny fomba tsy mitanila. Azon'ny olom-pirenena atao ny miaro ny zony sy ny mpiray tanindrazana azy amin'ny fanoherana ny fanararaotam-pahefana araka izay voafaritry ny lalana sy ny Evanjely. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alatsinainy 25 jolay 2022 — Masindahy Jakôba, Apôstôly — Izaho no nifidy anareo tao amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hamokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 20-28

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...