06 aogositra — Ankalazaina amin’izao ny fiovan’ny Tompo tarehy tao an-tendrombohitra. Ity fiovan’ny Tompo tarehy ity moa izany dia fiovana hita maso amin’ny vatan’i Jesoa nandritra ny fiainany teto an-tany.
Tsy azo tsapain-tanana, ary tsy ren’ny fandrenesana ny finoana. Resaka ara-panahy ny finoana ka mila aseho amin’ny fiainana sy asa eto ivelany, araka ny voalazan’i Md Jakoba, mba hijoroana ho vavolombelona fa kristianina marina sy mahitsy ny olona iray. Katesizy momba ny fianakaviana, miaraka amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Sabotsy 6 aogositra 2022 — Fankalazana ny niovan'ny Tompo tarehy — Ity no Zanako malalako izay ankasitrahiko, henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 28b-36
Tsy maintsy nijoro ho vavolombelon'i Jesoa ny Eglizy katolika manoloana ny rafitra ara-politika, ara-piaraha-monina ary ny fanabeazana. Notanterahina ny sinaody iombonan'ny Nosy tamin'ny 07 - 12 oktobra 1975. Tanjona ny fanafahana ny olona rehetra amin'ny lafiny manontolo. Fandaharana momba ny tantaran'ny Fiangonana eto Madagasikara miaraka amin'i P. Abdon Rafidison, Recteur, Théologat, Faliarivo, Antananarivo
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco