02 jolay — I Martinien sy i Procès dia martiry romanina tamin’ny taonjato voalohany. Nalevina tao amin’ny fasana Damase tao amin’ny via Aurelia izy ireo. Araka ny lovan-tsofina dia izy ireo no mpiandry fonja nampijaly an'i Pierre sy i Paul tao am-ponja tao Tullianum.
Ny anjara voatokana ho an'ny daholobe sy ny tsirairay ny amin'ny haren'ny tany dia hitady ny soa sy ny tsara. Efa hatramin'ny namoronana izao tontolo izao no nomena andraikitra ny olombelona mba hanankinana ny fitantanana ny tany sy ny hareny. Araka izay voalaza dia mba hanjaka ao amin'ny tany amin'ny alalan'ny vokatra ao aminy. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Zoma 2 jolay 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Matio 9, 14-17
Manentana ny Eglizy hiara-dia ny Papa François, amin'ny sinaodin'ny eveka, izay hotanterahina amin'y oktobra 2023, manoloana ny zava-misy mampivarahontsana iainan'ny zanak'olombelona. Ny firaisan-kina no hery entina misedra ireo olana ireo. Mankahery ny Eglizy izy mba hiombona sy handray anjara ary samy hanatanteraka ny asa fanirahana tandrify ny tsirairay. Hizara telo ny fandaharana entin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy, Diosezin'Antananarivo, ka hazavainy amin'ity fandaharana ity ny maha-izy ny Eglizy sy ny endrika fiarahan-dia.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco