Zoma 24 jona 2022 — Ny Fo Masin'i Jesoa — Izaho no mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; sady mahalala ny ondriko Aho no fantatry ny ondriko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 3-7

Miainga amin'ny didy fahaefatra "manajà ny ray aman-dreninao" ny maha olom-pirenena vanona. Ny ankohonana maro mitambatra ihany no lasa firenena, takiana ny hanomezana fitiavana sy fanajàna ireo ray aman-dreny sy ireo zoky. Samy manana ny adidiny ny tsirairay mba hisiany fifanajàna satria izay no taratry ny maha olom-pirenena vanona. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alakamisy 23 jona 2022 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Ny Tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21-29

Loha-hevitra mafonja noresahan'ny Papa François ny mikasika ny fihainona. Ny olona rehetra dia manana faniriana ho hainoana hatrany. Ny olombelona ankehitriny dia milomano ao anatin'ny fitaovam-pifandraisana maro sy mivoatra. Ireo rehetra miasa amin'ny tontolon'ny serasera no tokony hahay mihaino kokoa satria ireo no mihaino sy mitatitra ny mahazo ny mpiara-belona.  Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...