Zoma 10 jona 2022 — Herinandro fahafolo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 27-32

Manana sofina avokoa isika rehetra, kanefa matetika, na ireo izay manana fandrenesana faran'izay tsara aza dia tsy afaka hihaino ny hafa akory. Misy araka izany ny hasembanana marenina ao anaty, izay ratsiratsy kokoa indray noho ny fahasembanana ara-batana. Ny fihainoana araka izany dia tsy hoe mahakasika fotsiny ny retsi-pandrenesan'ny sofina, fa ny maha-olona manontolo mihitsy. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alakamisy 9 jona 2022 — Herinandro fahafolo mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 20-26

Tsy maintsy amin'ny alalan'ny fitandremantsika tsara izay olona henoitsika, sy izay ambarany ary ny fomba fihainontsika azy ihany no hahazoantsika mitombo sy miha-lehibe ao amin'izany hoe haitaon'ny serasera izany, ka ny ivony dia tsy resaka fahalalàna ara-teknika fotsiny ihany fa "ny fahafahan'ny fo izay mampanjary ny fifanakaikezana". Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...