Alahady 12 jona 2022 — Fankalazana manetriketrika ny Trinite Masina — Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 12-15

Hoy ny Pape François, ny fihainoana voalohany tokony ho karohintsika raha te hahita serasera tena izy dia ny fihainoana ny tenantsika aloha, ireo filantsika tena izy, izay voasoratra any am-pontsika tsirairay lalina any. Ary tsy maintsy miainga amin'ny fihainoana izay mahatonga antsika ho tokana aman-tany oharina amin'ny voaary rehetra : dia ny faniriana hifandray amin'ny hafa sy amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Sabotsy 11 jona 2022 — Herinandro fahafolo mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 33-37

Ny tena ivon'ny fihainoana dia ny fo. Hita nisongadina ho olon-kendry i Salômôna mpanjaka na dia tanora aza satria nangataka tamin'ny Tompo izy mba "hanana fo mihaino". Manasa antsika hihaino amin'ny fo (corde audire), handray ny Tenin'Andriamanitra tsy amin'ny sofina eto ivelany fa am-panahy ao amin'ny fo i Md Augustine : manàna fo ao amin'ny sofina fa tsy sofina ao amin'ny fo. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...