Zoma 10 aprily 2020 — Zoma Masina — Fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan'i Masindahy Joany 18, 1-40 ; 19, 1-42 — Nanolo-tena hanaiky hatramin'ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin'ny Hazofijaliana. Ho valin'izany kosa, dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.
Alakamisy 09 aprily 2020 — Alakamisy Masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 1-15 — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao : Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankativanareo.
Alarobia 08 aprily 2020 — Alarobia Masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 26, 14-25 — Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin'ny hadisoanay.
Talata 07 aprily 2020 — Talata masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 21-33. 36-38 — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin'ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak'ondry bonaika hovonoina.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco