Harena sarobidy ny fiadanana sy fandriam-pahalemana, hoy ny Papa François, amin’ny hafatra ho an’ny fankalazana ny ny andro maneran-tany hivavahana ho an’ny fiadanana sy fandriampahalemana, ny 01 janoary 2020, izany nampitondrainy ny lohateny hoe : « Ny fiadanana, lalan’ny fanantenana : fifanakalozan-kevitra, fampihavanana ary fibebahana ho amin’ny hai-voahary».

Talata 31 desambra 2019 — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18 — Ny teny dia tonga nofo ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra.

Alatsinainy 30 desambra 2019 — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 36-40 — Imbetsaka Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika... nony farany, ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika.

Alahady 29 desambra 2019 — Fianakaviana Masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 2, 13-15. 19-23 — Hanjaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’i Kristy, ary hitoetra be dia be ao anatinareo ny Tenin’i Kristy.

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...