Alahady faha-23 mandavantaona — D : Izay tia mahafoy ; Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana. Na iza na iza tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro. Zara raha mahavinavina ny eto an-tany ny olombelona ; ary tsy maintsy misasatra vao mahita manoloana ny tenanay; tsisy hahatakatra izay any an-danitra, tsisy nahalala ny sitra-pon'Andriamanitra, raha tsy nomenao ny Fahendrena, sy nanirahanao ny Fanahy Masina avy any ambony...

Ny votoatin'ny fanambaran'Andriamanitra : Andriamanitra manambara ny tenany, namonjy antsika olombelona mandrakariva, Andriamanitra mpahary. Tandindon'i Jesoa Kristy lahitokan'Andriamanitra i Isaaka, ilay nanao ny tena ho sorona, nitondra ny kitay hanaovana sorona azy toa an'i Kristy nitondra ny hazo fijaliana. Isaaka no niteraka an'i Jakôba izay nitombo sy nisandrahaka tamin'ny foko 12... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Abrahama dia anarana nomen'Andriamanitra, anarana tompon'andraikitra, anarana maniraka, noho ny finoany sy ny fihainoany ary ny nahatokisany tsy amim-pisalasalàna azy Andriamanitra. Abrahama dia azo adika amin'ny hoe loha-pianakaviana, raim-pianakaviana, ilay anarana tadindon'ny fampanantenana. Niditra tamin'ny tantaran'olombelona Andriamanitra mba handio azy sy hamonjy azy... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Tamin'ny alalan'ny Teniny no nanambaran'Andriamanitra ny tenany. Tsy nitazana fotsiny ny fahalavoan'ny olombelona tamin'ny fahotana Andriamanitra fa tompon'andraikitra amin'izay nohariany Izy, amin'ny alalan'ny famonjerana maro lafy. Na dia nisy aza ny endri-pamaizana samihafa dia nisy ireny mba hitazonana ny fahalavorariana... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...