Indray andro nivavaka tao amin'ny fitoerana anankiray Jesoa ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy : mba ampianaro mivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran'i Joany ny Mpianany. Voalaza ao amin'i Matio 14, 19 : dia nasainy nipetraka tamin'ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
22 aogositra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 1-14)
Araka ny voalaza ao amin'i Lioka 3, 21 : tamin'ilay natao Batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao Batemy koa i Jesoa, ka raha mbola nivavaka Izy dia nisokatra ny lanitra. Araka ny voalaza ao amin'i Matio 14, 23 : ary rehefa avy nanao veloma ny olona Izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana ; ka noho ny alina ny andro dia Izy irery no teo... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
21 aogositra 2024 — Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra — Fahatsiarovana — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo mifankatiava toy ny nitiavako anareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco