Ny filaminana dia ilaina tokoa na eo amin'ny fiaraha-monina samihafa na eo anivon'ny ankohonana. Isika tsirairay avy no mitambatra no zary ankohonana ary ny filaminan'ny tsirairay no antoky ny filaminan'ny ankohonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Maro ny aretina tsy mifindra anefa manelingelina ny fahasalamam-bahoaka. Ny fahalotoan'ny rivotra iainana no isan'ny mahatonga ny aretin'ny taova-pisefoana, izay vokatry ny fako sy ny setroka isan-karazany. Ho fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka dia ilaina ny fanajana ny fahadiovana satria izay tsy mandoto dia isan'ireo efa manadio. Marefo ny fahasalamam-bahoaka raha vao misy tsy fahalavorariana ny fahasalaman'ny tsirairay. Mila manao ezaka ny olona rehetra mba hanarahana ireny tetik'asa ataon'ny fanjakana momba ny fahasalamana ireny. Maro ihany koa ny aretina ateraky ny fandrosoana toa ny fandrosoana teknôlôjia sy ny asa-fikarohana hafa...
Nankalaza ny andron'ny 8 marsa, andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy ny teto Madagasikara. Maro ny hetsika nanehoana izany. Nanasa vehivavy tompon'andraikitra, misehatra amin'ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny fandaharana HIRIKA. Tsy iza fa Ramatoa Tantely Rahoeliarivahy Rajobson...
Ny toe-po, toe-tsaina sy toe-panahy entina manorina ny tokantrano no antoka sy fototra mampaharitra azy. Mila fiomanana, fantarina, ary volena izany toetra izany fa tsy mandeha ho azy. Zava-dehibe ny mahafantatra fa tsy mitovy amin'ny fiainan'ny mpitovo ny fiainan'ny mpivady. Ny fanorenana tokantrano dia fanohizana ny fahariana, izay tso-drano avy amin'Andriamanitra. Maro ny adidy sahanin'ny mpivady manoloana izany iraka izany. Ny fanatanterahana izany no fiainana ny hasambarana ety an-tany. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco