Novoizina nandritra ny taona maro teto Madagasikara ny zezika kankana. Zezika ahazoana vokatra ara-biolojia eo amin'ny fambolena. Isan'ny mampiasa io zezika io ny fikambanana Lanja Miakatra. Nizara fahalalana sy ny traik'efa momba izany ny mpanorina ny fikambanana Ranaivoarison Basile, Papa Bio.
Amin'ny maha-reny ny fiangonana dia manabe sy mampita aina ny fiangonana, fa indrindra manoro ny zanany hitory ny Evanjely. Ao amin'ny Laudatu'si dia mirona amin'ny fampandrosoana kokoa ny hafatra ka amin'izany dia hoe : "raha tiana ny hampandrosoana dia omena hasina ny olona tsirairay avy, ary tokony hipaka amin'ny olon-drehetra izany tsy mijery finoana, fiaviana na fahaizana". Farany dia tompon'antoka amin'ny fampandrosoana mba ho lovain-jafy ny olona tsirairay, manaraka ny fampianaran'ny fiangonana miaraka amin'ny fiaraha-monina sy ny fanjakàna.
Ny tontolo misy ny vehivavy reny ankehitry dia feno rotoroto sy ahiahy eo koa ny fisedrana ny fanatontoloana. Ny tontolon'izy ireo dia feno rentirenty sy fahasahiranana. Na eo aza iretsy voalaza iretsy dia tokony tsy hanadino loatra ny tenany ny vehivavy : ara-sakafo, ny fikarakarana vatana. Ilaina ny mifanatona, tsy mandeha irery. Mila mifankahazo tsara ny olona lahy sy ny vavy. Tsy hakivy dia tokony hahay hijery lafintsara foana isika. Itoeran'adidy lehibe ny vehivavy ka tokony hahery amin'ny famolavolana ny toe-tsain'ny ankohonana. Mila tohanana ny reny : Fifanampiana amin'ny raharaha ao an-trano, eo amin'ny fanabeazana ny taranaka ka mandrisika ny rehetra hitady ny fomba rehetra ary hiomana amin'ny fikarohana zavatra maromaro...
Ny 31 mey dia andro maneran-tany tsy hifohana sigara. Ny taova mety ho simba rehefa mifoka sigara ny olona dia maro fa isan'ireny ny avokavoka sy ny taovam-pisefoana. Ny voka-dratsy ny sigara dia mety hakasika ny vatana sy ny taova manontolo : fo, ati-doha, lalan-dra, tosidra ary mety hiafara amin'ny homamiadana. Ny fiankinandoha amin'ny sigara dia vetivety dia haingana be ny fiatraikany. Loza ho an'ny manodidina, izay tsy mpifoka sigara ny fisian'ny olona mpifoka iray. Ny olona te hiala amin'ny sigara dia mila manana finiavana sy faharesen-dahatra anaty. Ny fiankinandoha amin'ny sigara dia azo sitranina. Ny olona te hiala amin'ny sigara dia mila fanampiana amin'ny olona manodidina azy, ara-tsaina sy ara-tsakafo...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco