Ny fotoana manokana dia tena manova fiainana na eo amin'ny mpivady na eo amin'ny mpianaka. Mitondra fiadanan-tsaina, fiadanam-po, fiadanam-panahy. Fehiny : mahasambatra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Mba hananana fahasalamana feno dia ilaina ny fametrahana tanjona ara-pahasalamana. Isan'ny antoka hazoana fahasalamana ny fandanjalanjana ny sakafo, ny torimaso ary ny fampiasam-batana. Fandaharana "Ampela Miary", vokarina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny fery-fanaviana dia avy amin'ny tsimok'aretina iray izay mety hisy fiantraikany amin'ny taova hafa ankoatry ny hoditra na ny taovam-pananahana. Izy io dia mety hakasika ny ati-maso. Ny fery-fanaviana dia avy amin'ny tsimok'aretina, "Herpes Simplex Virus", na HSV, izay misy karazany 2: HSV1 sy HSV2...
Ho fantatra amin'ity volona oktobra ity ny vina manokana ho an'ny toetr'andro momba ny taom-pambolena hoy ny teo anivon'ny fitantanana ankapoben'ny Météo Madagasikara. Ampanangonana ny vaovao ahafahana mamoaka fehin-kevitra momba izany ny teknisiana...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco