♦ Resy lahatra ny sampana rano sy ala eo anivon'ny sekoly ambony momba ny fiompiana sy fambolena eny amin'ny Oniversitea Antananarivo fa mahomby kokoa ny fanentanana hatao eny ifotony amin'ny fikajiana ny tontolo iainana. Natao hanatontosana izany ny tetik'asa SAHA Maintsoanala, izay hiarahana miasa amin'ny Vondron'Olona Ifotony. Tetik'asa tanterahina eo anelan'elan' Ambatolaona sy Marozevo... ♦ Ny sifaka na tsibaka : isan'ireo varika 105 harena manokana ho an'i Madagasikara, hita any amin'ny faritra andrefana...
Zavatra maro no tokony harindra ao an-tokandrano. Ny fifampitokisana dia andry iray manamafy ny fifandraisana ao an-tokantrano, izay tokony hisy eo amin'ny mpivady eo amin'ny ankizy, eo amin'ny mpianankavy. Misy fiatraikany eo amin'ny fanabeazana ny ankizy sy ny fiainan'ny fianankaviana ny fifampitokisana. Mila omanina ny firosoana ao amin'ny sehatry ny fanambadiana sy ny tokandrano : fifampizahan-toetra...
Misy tarehimarika roa omen'ny mpitsabo rehefa mitsapa tosi-drà ; ohatra 12-8 ka ny voalohany manambara ny tosika voalohan'ny rà ary ilay faharoa dia tosika manaraka izay somary ambany. Raha ilay tosika voalohan'ny rà no latsaky ny (< 9) dia izay no hambara fa ambany ny tosi-drà. Fambara : ankoatra ny tsy maintsy hitsapana azy amin'ny fitaovana voatoka dia mety hahatsiaro ho reraka ilay olona na fanimpanina, misy feo misioka ao anaty sofina na migobona, mety ho tonga amin'ny fahatoranana sy tsy fahatsiarovantena, manjavozavo ny fijery, fanina vao mitsangana tampoka...
Fomba ahafahana mampitombo ny voka-bary eto Madagasikara ny teknika fambolem-bary voizin'ny Papriz. Faritra 22 moa no iasan'ity tetik'asa ity izay efa nanomboka niasa tamin'ny taona 2008 tamin'ireo faritra 05 anivon-tany.
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco