♦ Hatramin'ny mitatao vovonana teo, 19 ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Corona Virus...♦ Manomboka amin'ity herinandro ity, dia hisy sarom-bava hatramin'ny 40.000, hovokarin'ny orinasa iray eto an-toerana ihany...♦ Mampahatsiahy ny mpitandro ny filaminana fa anatin'ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara, ka tokony tsy hivezivezy eny an-dalam-be ny rehetra...
♦ Mihena tsy toa ny omaly ny olona mbola mivezivezy an-dalambe amin'izao andro faharoan'ny fihibohana an-trano hisorohana ny fiparitahan'ny tsimoka'aretina Corona Virus...♦ Nanome toromarika ny tompon'andraikitry ny sekoly katôlika manerana ny nosy Mompera Jules Ranaivoson momba ny fanatratrarana ny fandaharam-pianarana amin'izao fihatoan'ny fampianarana izao...♦ Tsy mbola ahitana olona mitondra ny tsimok'aretina Corona Virus ao amin'ny distrikan'Antsirabe...
♦ Olona 17 no mitondra ny tsimok'aretina Corona Virus eto Madagasika... ♦ Ampy sy tsy misy ahiana ny tahirin'entana ilaina amin'ny fiainana andavan'andro... ♦ Mampihatra ny fepetra tsy hidiran'ny tsimok'aretina Corona Virus any aminy ny tompon'andrikitra ao amin'ny Faritra Bongolava... ♦ Nampihatra ny tsy fahazoana mivoaka ny trano mandritra ny telo herinandro ny britanika.
Talata 24 marsa 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 1-16 — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra ; amereno ny hafaliana avy amin'ny vonjinao.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco