♦ Niampy roa indray ny olona matin'ny Coronavirus eto Madagasikara. Nitombo 89 ihany koa ny tranga vaovao... ♦ Nampahafantarina omaly ny fanombohana ny essai clinique momba ny fitsaboana ny aretina Covid-19... ♦ Nolanian'ny Solombavambahoaka tetsy amin'ny CCI Ivato ny lalana mifehy ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara...
Ny fahaizana mifandray amin'ny hafa, dia misy fiantraikany aminao bebe kokoa. (01-07-2020)
Alakamisy 02 jolay 2020 — Herinandro faha-13 mandavan-taona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 1-8 — Fanilon'ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako.
♦ Nisy olona roa indray namoy ny ainy vokatry ny valan'aretina Coronavirus... ♦ Firenena voalohany aty Afrika, nanolotra fomba fitsaboana ny aretina avy amin'ny Covid-19, ka hanao ny essai clinique i Madagasikara... ♦ Misy toerana dimy karazana ao amin'ny CMC-19 na ilay ivon-toerana fitsaboana ny Covid-19 eny amin'ny Tanana Voara Andohatapenaka...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco