• Mihamanantona hatrany ny morontsiraka avaratra atsinanan'ny nosy ilay rivo-doza Dikeledi atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Hitondra orana sy rivotra mahery izy ka ahiana ny hisian'ny tondra-drano, fiakaran'ny rano any amin'ny tapany avaratry ny nosy...
  • Tsy azo ekena hoy ny solombavambahoaka IRMAR manana ny maro an'isa eny Tsimbazaza ny fanimbàna ny ezaka efa vitan'ny Fanjakàna manoloana ny fanambaràn'ny mpanohitra, ny Firaisan-kina sy ny RMDM, tamin'ny herinandro lasa teo...
  • Nahafahan'ny tantsaha nahatakatra ny tombontsoa amin'ny voly vary RIZ-HYBRIDE ny filan-kevitry ny ministra voalohany nampitaina mivantana tamin'ny Haino aman-jery hoy ny filohan'ny vaomiera misahana ny tontolo ambanivohitra eny amin'ny Antenimieram-pirenena, hoy ny solombavambahoaka Razafindrabary Ricahard...

  • Hiditra an-tanety eo amin'ny Distrikan'i Vohemar na ao Antsiranana-II ilay rivo-doza atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana DIKELEDI anio hariva. Tany amin'ny 275 km atsinanana somary avaratra-atsinanan'i Vohemar no nisy ny foibeny tamin'ny 5 ora maraina teo...
  • Lôjika hoy ny KMF/Cnoe raha misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ny mpanao pôlitika momba ny didy navoakan'ny Fitsaràna nahafahana niditra tao amin'ny lisitry ny mpifidy (Ordonnance). Samy manana ny famakiana ny lalàna misy eto amintsika izy ireo...
  • Norobain'ny jiolahy miisa 3 nirongo basy , omaly tamin'ny 1 ora tolak'andro, ny tranom-barotra iray tao amin'ny tsenan'Ankirihiry-Toamasina...
  • Miantso ny kristianina katôlika hankahery an'ireo niharan-doza noho ny firehetan'ny tanàna ny Arsevek ao Los Angels ; 11 no maty vokatr'ity loza ity...

Ankalazaina izao 11 janoary izao i Masindahy Paulin d'Aquilée. Teraka teo anelanelan'ny taona 730 sy 740 tao Premariacco faritanin'i Udine i Paulin. Fanta-daza tamin'ny fahaizana sy ny fahalalana izy satria mpanoratra izy. I Alcuin dia nifidy azy ho mpampianatra ary ny Amperora Charlemagne dia niantso azy ho mpanolo-tsaina tao an-dapa indrindra ny amin'ny ara-pivavahana.

Rehefa mivavaka isika dia tahaka ny boka nositranina, tahaka an'i Bartime jamba nahazo fahiratana, Lazara izay efa maty ary nalevina tany am-pasana saingy nahazo ny fiainana vaovao avy amin'i Jesoa Kristy. Manasitrana antsika ny vavaka tahaka an'i Bartime sy ireo marary maro hafa sitrana. Ny fandinihana kristianina dia mitondra antsika amin'ny resadresaka amin'i Jesoa. Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...