♦ Toerana maromaro eto Antananarivo indray no nisian'ny fihetsiketsehana alina, hanehoana ny tsy fankasitrahana ny "delestage" ankehitriny... ♦ Nisy ny toromarika nomen'ny CENI ireo rantsamangaikany eny anivon'ny distrika, manoloana ny fisian'ny vondron'olona na kandidà, manao fangatahana "ordonnance" mba afahana miditra anaty lisi-pifidianana... ♦ Miato kely ny fianarana amin'ity herinandro ity, indrindra ho an'ny Sekolim-panjakàna. Maro anefa ireo sekoly tsy miankina no mbola manohy ny fampianarana hatrany... ♦ Nivory maika omaly ny filan-kevi-pilaminan'ny Firenena Mikambana, nandinika ny ady misy any Moyen-Orient...
Ny Raozery sy Sapile : misy ny endrika efa mahazatra dia ny mistery 4, misy toko 5 avy ; fa misy koa, ohatra Sapilen'ny famindram-pon'Andriamanitra, Sapile miaraka sy ho an'ny fanahy ao amin'ny afo fandiovana, Sapile miaraka amin'ny Masina Misely Arkanjely... Misy koa ireo fanehoam-pinoana sy fitiavam-bavaka hafa efa fanaon'ny mpino hatry ny ela ; ilaina ireny satria olona mino sy mavitrika no ilaina. Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
29 ôktôbra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 18-21)
♦ Mihamafy ary miverimberina hatrany ny fahatapahan'ny herinaratra avy amin'ny Jirama. Maro ireo toerana misedra izany amin'izao fotoanan'ny vaovao izao... ♦ Efa mazava ny toromarika sy torolalana nomena ireo rantsan'ny CENI eny amin'ny Distrika, araka ny fanazavan'ny kaomiseram-pifidianana eo anivon'ity vaomiera ity... ♦ Ao anatin'ny fialan-tsasatry ny Toussaint ny sekolim-panjakana nanomboka androany. Misy kosa ireo sekoly tsy miankina mbola manohy ny fampianarana...
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco