27 jolay 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-30)
♦ Niantso ny rehetra mba hampitsahatra ny lainga sy ny kabary tsara lahatra ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, Arsevekan'i Toamasina, nandirtra ny Sorona Masina famaranana ny fankalazana ny taon-jobily volamenan'ny Fihavaozana Karismatika... ♦ Niompana tamin'ny fiaraha-miasan'i Lafrantsa sy i Madagasikara amin'ny famokarana herinaratra azo avy amin'ny rian-drano, mba hamenoana ny angovo tsy ampy eto amintsika, ny fihaonana teo amin'ny Filoha frantsay, Emmanuel Macron sy ny Filoha malagasy, Andry Rajoelina androany...
♦ Notanterahana tao amin'ny renivohitry ny Diôsezin'i Mahajanga, ny fiofanana ho an'ny katesista avy ao amin'ny Distrika Misiônera Maevatanana, tamin'ity herinandro ity... ♦ Nanentana ny rehetra hiaina ny fitiavana, ny Arsevekan'i Toamasina, tamin'ny fanokafana ny lanonana famaranana ny taom-bolamenan'ny Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana, eto Madagasikara... ♦ Tontosa tamin'ny 13 jolay 2024, ny Antenimiera nataon'ny tanora tao amin'ny Diôsezin'i Farafangana, ho fanomanana ny JMJ Diôsezy...
Misedra olana amin'ny fanondranana ny vokany ny kaoperativa Taratra avy Analanjirofo amin'izao fotoana izao. Manomboka miditra amin'ny fanondranana ny voly fanondrana ifotoran'izy ireo mantsy ity kaoperativa ity ankehitriny saingy betsaka loatra hoy ny tompon'andraikitra ny pitsopitsony vola aloa noho ny lamina misy.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco