21 mey 2023 — Alahady fahafito fankalazana ny Paka — Taona A — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 1-11a)

Mety hahazo ny olona rehetra — na zaza, na olon-dehibe — ny aretin-tenda. Ny fanafihan'ny otrikaretina na tsimokaretina, na allergie no mahatonga azy. Fa mety ho fitrangan'aretina hafa ao amin'ny vatana koa ny aretin-tenda. Izay no ilana ny fanatonana mpitsabo. Ny kambontenda dia taova misy ao amin'ny tenda. Ilaina amin'ny fiarovana ny tenda ary mpamokatra hery fiarovana izy. Samy manana ny habeny ny tsirairay. Raha manelingelina dia ilaina ny manatona mpitsabo, izy no mahalala na tokony esorina na tsia ny kambontenda.

♦ Natomboka omaly ny fizaran'ny CENI ny tambin-karama manokana ho an'ireo rehetra misehatra ao anatin'ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasiônaly, teto Antananarivo... ♦ Tontosa ny fihaonana teo amin'ny Banky Iraisam-pirenena sy ny fanjakana malagasy, amin'ny alalan'ireo minisitera manana tetik'asa miaraka amin'ity mpamatsy vola ity... ♦ Hiray hina hiaro ny tontolo iainana ireo tantsaha mikambana ao amin'ny Vondron'ny Tantsaha Malagasy, na ny CPM. Mahatsapa ny voka-dratsy ateraky ny fiovan'ny toetr'andro izy ireo...

♦ Nahazo Eveka Mpanampy ny Diôsezin'i Morondava. Notendren'ny Papa François ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava, i Mompera Jean Nicolas Rakotojaona, Pretra diôsezanina avy amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦  Nanolotra vola 40 tapitrisa Dolara hamatsiana ny tetik'asa Lead, ho an'i Madagasikara, ny Banky Iraisam-pirenena... ♦ Nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy omaly hariva, tetsy amin'ny CCI IVato, ny sary famantarana sy ny hira fanevan'ny Lalaon'ny Nosy andiany faha-11, hampiantranoin'i Madagasikara amin'ny volana aogositra ho avy izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...