♦ Miantso ny mpanao politika hanaja ny fitoniana amin'izao ankatoky ny Paka izao ny vovonana "Isika Fikambanana Miaradia amin'i Andry Rajoelina" na ny IFI. Tsy nisy ny fahanginana ara-politika tamin'ity taona ity hoy ny antoko Fiombonana noho ny fanapahan-kevitry ny Fanjakàna ihany... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany ho an'ny fahasalamana. Miantso ny mpamokatra hamokatra sakafo ara-pahasalamana ny fikambanana Malagasy Ela Velona na ny "Maeva"... ♦ Natolotra ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana Ramilison Harifidy teny Anosy, omaly ny masomboly fototra ahafahana mamokatra ny katsaka safiotra eto Madagasikara...

Ny Sabotsy Masina dia misy fankalazana miavaka, fankalazana an'i Jesoa nandresy ny fahafatesana. Misy lafiny telo ny fankalazana : Voalohany Kristy Fahazavana aseho amin'ny alalan'ny Afo Vao sy Jiron'ny Paka ; faharoa Kristy Tenin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Vakiteny Masina ; ny farany Kristy Loharanon'Aina tandindon'ny Batemy. Katesizy momba ny Sabotsy Masina, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Sabotsy 8 aprily 2023 — Sabotsy Masina — Fiaretan-tory ankalazana ny Fitsanganan'i Jesoa Kristy — Taona A — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 1-10)

♦ Miandrandra ny hitohizan'ny fifampidinihina eo amin'ireo mpisehatra pôlitika, ny fiarahamonim-pirenena ASD... ♦ Nametraka paikady hanafainganana ny raharaham-pitsarana ady tany, ny Minisitry ny Fitsarana, Ramanantenasoa Landy Mbolatiana... ♦ Hankalaza ny faha-80 taona nijoroany amin'ity taona ity, ny Kôlejy Monseigneur Ramarosandratana, any Miarinarivo, Faritra Itasy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...