Ny fombam-pitenenana dia andian-teny na fehezan-teny na kamban-teny, miainga avy amin'ny fiheveran'ny olombelona iray, izay tsy maintsy misy loharano nipoirany ; tsy voatery hisy hafatra na hanatra na fitsipika. Mba ahafantarana ny teny marina sy ny diso momba ny fombam-pitenenana iray dia ilaina fantarina : inona no antony nahatonga io, oviana no nitranga. Raha hiroso amin'ny famoronana fombam-pitenenana ny olona iray dia tokony hifanaraka amin'ny sehatra, ny fotoana, ary mahatety vanim-potoana. Ohatra : Valala fiandry fasana. Biby tsy manan-doha tsy mandeha. Miteraha fito lahy, fito vavy... Fandaharana "FILIRA" iarahana amin'ny Foibe momba ny Teny, ny Akademy Malagasy.
♦ Nivoaka ny trano fivoriana ny vondron'ny mpanohitra omaly, nandritra ny fivoriana fitsirihana ny antontam-baovao mirakitra ny lisitry ny mpifidy, teny amin'ny CENI Alarobia... ♦ Nihemotra ny daty hanaovana ny fifaninanana handraisana mpianatra ho mpandraharahan'ny fonja amin'ity taona ity. Nitombo ny mpifaninana satria tafakatra ho sivy arivo... ♦ Nisy teratany vahiny vitsivitsy, tratra nitrandraka volamena tamin'ny fomba tsy ara-dalana, tao amin'ny reniranon'i Kamoro any Maevatananana. Nosamborina izy ireo, ary nogiazana ireo fitaovana marobe nampiasainy...
Ny Eglizy katôlika dia miara-dia amin'ny fiaraha-monina, indrindra amin'ny fitondram-panjaka, manentana ny olona hiaro ny zon'olombelona. Ny fanajàna ny zon'olombelona dia ahazoan'ny rehetra tombontsoa satria manamafy ny fitiavana. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Talata 21 marsa 2023 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 1-3a. 5-16)
• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco